Tsy mijanona eto Antananarivo intsony amin’izao ilay raharaha fanondranana sokatra an-tsokosoko mankany ivelany fa efa miitatra mankany amin’ny faritany mihitsy. Zana-tsokatra an’arivony saika haondrana tany amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina no nisy nanary tao amin’ny fokontany
Ambinanindrano 46 km tsy hidirana an’i Brickaville ny sabotsy maraina teo, raha araka ny fampitam-baovao voaray. Fiara avy aty Antananarivo hihazo an’i Toamasina no nitondra azy ireo, araka ny vinavinan’ny mpitandro ny filaminana fa tsy voafaritra kosa na kely na lehibe. Noho ny antony manokana izay tsy fantatra anefa dia narian’ireo nitondra azy teny am-pandehanana ireo sokatra. Vokany, ny 22 tamin’izy ireo sisa no velona izay nalefa avy hatrany any amin’ny parc iray ao Brickaville ho fiarovana ny ainy, mandra-pisian’ny fanapahan-kevitra hentitra. Efa nisy moa ny fampahafantarana ny zava-misy tamin’ireo tompon’andraikitra any an-toerana ary efa misokatra ihany koa ny fanadihadiana mikasika ny raharaha. Olona handeha hantsaka rano raha tsiahivina no nahita ireto zana-tsokatra ireto.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.