Actualités

Ambinanikely - Tolagnaro Finday niteraka hain-trano nahatsiravina


  • Alakamisy 30 Oktobra 2014

Tratry ny ny tsy nampoizina ny iray tanàna vokatry ny hain-trano niteraka fahasimbana zavatra maro toy ny entana, fanaka, fitafiana,vary …

Tsy nisy ny aina nafoy. Noho ny firaisankinan' ny fokonolona dia maty ny afo ary tsy afaka niitatra. Voalaza fa olona iray namahana ny  findainy tamin’ny herinaratra  ora maromaro ka niteraka “court circuit” no niteraka ny hain-trano. Trano hazo 5 lehibe no kila forehitra. Ny filatsahan'ny Erika no anisan'ny nahafaty haingana ny afo. Marihina fa tonga ihany ny mpamonjy voina saingy tratra aoriana. Ny ankamaroan'ireo trano miorina ao an-drenivohitra Anosy indrindra any amin' ireo kartie mbola mifanetiety ny trano ka mananosarotra ny famonjena ny loza toy izao ho an'ireo mpamonjy vonjy taitra. Ampahatsiahivina fa tao anatin'ny telo volana dia nisehoana hain-trano nahasimbana zavatra maro tany  an-toerana. Mila mailo ny tsirairay.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT