Nisavoritaka ny tetsy Ambilanibe akaikin’Anosibe omaly noho ny resaka hala-jaza.
Tovolahy roa no voalaza fa tratra nangala-jaza omaly ka nifanenjehana, ka tratra ny iray tokony ho tamin’ny 4ora sy sasany hariva, raha ny fitantarana. Noho ny fanenjehana dia voalaza fa natsipy tao anaty rano ilay zaza ka namoy ny ainy, raha ny fanazavana vonjimaika. Nidina teny an-toerana moa ny avy amin’ny mpitandro filaminana, ka nobedain’izy ireo avy hatrany ilay tovolahy iray izay tsy afa-bela tamin’ny fanenjehana azy. Heverina fa ho iraka fotsiny io, fa misy ny atidoha ao ambadika. Ny fanadihadiana lalina ataon’ny mpitandro ny filaminana no heverina fa hivoahan’ny marina momba ity raharaha ity. Efa nisahotaka ny olona teny an-toerana, izay efa maro no niantso fitsaram-bahoaka, raha ny fampitam-baovao hatrany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.