Actualités

Ambatondrazaka Zaza 4 taona nisy nanolana


  • Alatsinainy 19 Janoary 2015

Efa miha mivadika biby ny olona ankehitriny raha ity tranga niseho tany Ambatondrazaka ity no dinihana. Tovolahy 19 taona no nahavita nanolana zazavavy kely efatra taona monja mipetraka ao Ambatoambo.

Nandeha namonjy fahoriana niandry faty ny renin’io zaza io ny harivan’ny zoma ka ilay tovolahy no nametrahana fitokisana hiambina ny trano sy hitaiza ilay zaza. Tsy fantatra marina izay nahazo ilay tovolahy fa dia nanamparany ny filan-dratsiny ilay zaza kely. Gaga ilay renim-pianakaviana nony tonga tao an-trano nahita ity zanany nigogogo nitomany. Rehefa nanontaniana izy dia nitarainany narary azy mafy ny fivaviany. Nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ilay zaza ary dia voaporofo fa simba ny taovam-pananahany. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ankehitriny ilay nahavanon-doza.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT