Actualités

Ambatondrazaka sy ny manodidina Olana ny ady tany


  • Alarobia 30 Novambra 2016

Tany amin’ny kaominina ambanivohitr’Ambatomainty tany indray no niavian’ity fitarainana ity.

Raiamandreny iray monina any an-toerana no mangataka ny fandraisan’andraikitry ny tompon’andraikitra tandrify. Anisan’ny olana goavana aty aminay aty Ambatondrazaka, ny ady tany, ary izay no andefasako ny fitarainana mba hanaitra ny tompon'andraikitra. Manana tany 2 hektara ny tenako, izaho ihany no nanajary teto an-taonany maro izay ny teo anivon’ny genie rurale no nanolotra azy hampiasaiko, tamin'izany fotoana. Ankehitriny anefa dia misy mibodo tsotra izao io toerana io, izay vondrona fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra na Fram ao Analakininina ary nangatahin'izy ireo tamin'ny Somalac, izay marihiko etoana fa tsy tafiditra velively ao anatin'ny faritra nisy an'ilay orinasa nambarako teo no mibodo izany ankehitriny. Efa nandalo fitsarana izy ity fa tsy nisy tohiny hatreto, izany hoe tsy tokony hisy hampiasa ny tany aloha, hoy hatrany ny fanamarinany ka hisintonana ny sain'ny tompon'andraikitra. Misaotra mialoha tompoko, hoy izy.

 

J.M

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT