Ordinatera 15 miaraka amin’ireo kojakoja samy hafa no nanjavona tao amin’ny biraon’ny Centre Informatique Regional (CIR )Alaotra Mangoro, rantsan’ny Ceni any an-toerana. Tsy nisy trano vaky kanefa dia fitaovana sarobidy am-polony no tsy hita popoka.
Ankoatra izay misy amin’ireo solosaina tavela ao amin’ny birao no tranony fotsiny fa tsy misy anatiny intsony. Mifanilika amin’ny antony nahavery ireo fitaovana ireo ny Filoha ny Cenit Ambatondrazaka sy ny ao amin’ny CIR Alaotra Mangoro. Efa mandeha ankehitriny ny fanadihadiana ka ho hita eo izay antony tena nahatonga io fahaverezana fitaovana io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.