Actualités

Ambatondrazaka Mpamaky trano matin’ny fitsaram-bahoaka


  • Alatsinainy 25 Janoary 2016

Lehilahy iray, 46 taona, no tratran’ny Fokonolona ambodiomby saika hamaky trano tao Atsimondrova Ambatondrazaka omaly maraina. Niharan’ny daroka ilay jiolahy ary tsy namelan’ny olona raha tsy tapitra ny ainy.

Matetika itrangana vaky trano amin’ity Fokontany ity, ka tsy mahagaga raha niharan’ny hatezeram-bahoaka io olon-dratsy io. Endriky ny tsy fahatokisan’ny olona ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana ihany koa anefa.

Fantatra fa avy any amin’ny Kaominina Ambandrika, Distrikan’Ambatondrazaka ihany no fiavian’io mpamaky trano io.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT