Sahirana amin’ny fahazoana rano fisotro madio amin’izao fotoana izao ny renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro.
Vao mangirandratsy dia efa alahatra eny amin’ny paompy ny siny hantsakana. Zara raha mandeha amin’io ny paompy ka mahatsiaro sahirana ny mponina ao Ambatondrazaka. Ankoatra ny fahakelezan’ny rano mandeha amin’ny mpaompy dia misy fotoana tapatapaka ny famatsiandrano ao Ambatondrazaka. Ireo mipetraka amin’ny toerana avo no tena lasibatra amin’ny tsy fahampiana ny famatsian-drano io. Fantatra fa ny rano ao Ambodiakondro mihitsy no ritra ka izay no mahasarotra ny famatsiana araka ny filaza ny tekinisianina ao amin’ny orinasa JIRAMA. Mangetaheta vahaolana avy amin’ny tompon’andraikitra ny mponina ao Ambatondrazaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.