Actualités

Ambatondrazaka Jiro tsy mandeha, rano tapaka


  • Sabotsy 10 Janoary 2015

Manomboka mampiaka-peo ny mponina any Ambatondrazaka ny trangan-javatra ataon’ny orinasa jirama. Sady tapaka ny jiro no tsy mandeha ny rano omaly 8 janoary. Naharitra ora maro izany ho an’ny faritra sasany ka saika niteraka korontana

teo amin’ny mpiambina mpaompy sy ny mpanjifa ny ranon’ny jirama. Ny fahatapahan’ny herinaratra dia efa mahazatra ny mponina fa teo amin’ilay fahatapahan’ny rano no niteraka olana. Tampoka sy tsy misy fampandrenesana ilay izy ka niteraka fahasorenana teo amin’ireo mpanjifa. Tsy nahazoana fanazavana momba ny anton’ny fahatapahana rahateo ny teo anivon’ny orinasa Jirama. Manjaka ny honohono sy ny radio rapanitra. Hetahetan’ny mponina ny ilazan’ny orinasa jirama ny marina mahakasika io fahatapahana io sy ny mba hamerenana amin’ny laoniny amin’izay ny famatsiana herinaratra ao an-drenivohitry ny faritra Alaotra Mangoro. Mitoetra ho nofinofy izany hatreto.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT