Faly sy ravo ireo mpivarotra ao Ambatondrazaka fa tontosa ny fanatsarana ny toerana hivarotan‘izy ireo hena. Mitentina 15.000.000 ariary ny vola lany tamin’ny fanatsarana izany tsena izany ka ny 3.000.000 ariary dia fandraisana anjara avy amin’ny kaominina ambonivohitra Ambatondrazaka fa ny ambiny kosa dia tamin’ny fandaharanasa PGDI.
Naharitra iray volana ny nanatanterahana ny asa ka ny orinasa LK sy Rina no nandray an-tanana ny famitana ny asa rehetra. Ny sabotsy teo no natolotra ireo mpivarotra ny trano fivarotana, ka nandritra izany no nanao antso ireo mpivarokena tsy manara-dalàna ny ben’ny tanàna Andriamanirisona Jacques mba hamonjy ny toerana voatokana hivarotan-kena fa tsy eny amoron-dalana eny.Raha nandray fitenenana ny solonten’ny mpivarokena dia nanome toky fa hanaja ny fepetra rehetra hapetraky ny fanjakana eo amin’izay asa fihariana fivarotan-kena izay. Fantatra fa mbola betsaka ireo fotodrafitrasa hasiam-panavaozana ao Ambatondrazaka taorian’iny fanatsarana ny toerana fivarotan-kena iny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.