Nitrangana hain-trano tetsy Ambatonakanga omaly tokony ho tamin'ny 2 ora folakandro. Toeram-pivarotana sy fanefena firavaka iray antsoina hoe
: bijouterie Miladar no lasibatra tamin'izany, ana teratany karana. Araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana dia avy tamina "cours circuit" no nahatonga ny loza. Fipoahana no niatombohany izay niitatra ka lasa lelafobe, antony nahamay ny efitrano tao ambany rihina. Vokany, firavaka maromaro no lasibatra izay voalaza fa niampy lelavola ihany koa. Tao ambony rihina nisakafo ny tompon'ny toeram-pivarotana tamin'ny fotoana nitrangan'ny loza. Haingana ny fiantsoana vonjy tany amin'ny mpamonjy voina vokatr'izany ka vetivety foana dia voafehy ny afo. Na izany aza, tapaka mihitsy ny lalana nihazo an'Antaninarenina. Tsy hay notohaina ihany koa ny fitohanan'ny fifamoivoizana, antony nanosika ireo fiara sasany niova lalana. Tsara moa ny manamarika fa tsy nety niteny ny tentim-bidin'ireo firavaka may sy ny vola ny tompon'ny toeram-pivarotana. Tsy nisy ny aina nafoy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.