Actualités

Ambatomainty sy ny Faritr’i Melaky Ny Dina tsy mipoly no tena mahomby any


  • Alarobia 17 Desambra 2014

Tsy misy politika matotry ny fanjakana mikasika ny fampanjakana ny fandriampahalemana any amin’ny Faritr’i Melaky, hoy ny

depioten’Ambatomainty Randriamialisoa Willison, fa olon-tsotra, Atoa Youssouf  no nandray an-kitsim-po andraikitra tao Besalampy ka nampihatra ny dinan’i Melaky tsy mipoly ary dia nahomby tany an-toerana izany ary dia mbola nahitam-bokatra koa rehefa nampiharina tany Ambatomainty ary avy eo niely tany amin’ny Faritr’i Melaky iray manontolo mihitsy. Vao mainka nitombo ny fahatokisan’ny vahoaka rehefa niditra ihany koa i Foara sy ny dina nentiny. Raha fintinina, hoy ny depiote Willison, dia tsy misy resaka dahalo niova na tsy niova fo izany fa ny vahoaka mihitsy no efa leon’ny tsy fandriampahalemana miseholany lava izao ka nankato ny amin’ny fampiharana ity dina ity fa dodona hiala amin’ny fahantrana mahazo azy.  Efa manomboka milamina koa ankehitriny ny any amin’ny Faritr’i Bongolava manakaiky an’i Melaky.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT