Olona iray no maty ary am-polony no naratra. Io no vokatry ny fanafihana ny tanŕnan’’Antsahabe, kaominin’Ambanivohitr’Ambatolampy Tsimahafotsy ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo ny sabotsy halina teo.
Lasan’ireto dahalo ireto avokoa ny omby rehetra tao an-tanàna araka ny vaovao voaray ary rehefa azon’izy ny omby rehetra da nodoran’izy ireo ny tanàna ka trano folo no may tamin’izany. Nirongo basy mahery vaika Kalachnikov moa ireto dahalo niakatra an-tanàna ireto hany ka tsy nisy nahasahy nanohitra ny tao an-tanàna noho ny hery tsy mitovy. Ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo no misy ny kaominin’Ambatolampy Tsiimahafotsy saingy latsaka an’elanelany ihany noho izy tsy akaiky ny mpitandro ny filaminana eny Ivato no efa tsy ato anatin’ny faritry ny renivohitra intsony koa. Mampihoron-koditra tanteraka ny zava-misy satria dia efa miakatra an-tanàna izany ny dahalo. Tsy atahoran’ny mpanao ratsy intsony ny mpitandro ny filaminana na dia vao 40 mahery aza no nahazo galona be nandritra ny faran’ny taona teo. Ity fiparitahan’ny fitaovam-piadiana mahery vaika ity moa no tena mampiraviravy tanàna ny vahoaka tsy an-tsaha tsy an-tanàna.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.