Actualités

Ambatolampy RN 7 Torana rehefa avy nandona taksibrosy ilay mpitondra moto


  • Alatsinainy 12 Septambra 2016

Nifandona tamina taksiborosy andeha hiditra ao amin’ny toeram-piantsonana fiarakodia mpitatitra olona ao an-tanànan’Ambatolampy ny moto scooter iray nanapaka tampoka ny lalan’ilay fiara.

 

 Vokany, naratra mafy tsy nahatsiaro tena mihitsy ity mpitondra moto ity ary nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly any an-toerana. Voavonjy soa aman-tsara ny ainy rehefa nataon’ny mpitsabo tao amin’ny hopitalin’Ambotolampy izay azony natao rehetra.  Tamin’ny tatitra azon’ny kaomiseran’ny polisin’Ambatolampy, Ranaivoson Jean Claude, dia anisan’ny tena nanampy trotraka ny fahavoazan’ilay mpitondra scooter ny tsy fametrahana “casque” tamin’io fotoana nisian’ny fifandonana io.  Raha ny fantatra mantsy, hoy ity kaomisera ity, dia eo amin’ireo toerana misy “contrôles” ataon’ireo polisy ihany ireny mpitondra moto any Ambatolampy ireny vao mody mametraka “casque” fa esoriny avy hatrany raha vao dila ireo polisy izy ireo. Noho ity lozam-pifamoivoizana nitranga teo akaikin’ny toeram-pivarotana solika ao Ambodiriana ity dia hohamafisina  manomboka eto ny fanaraha-maso ireo mpitondra moto sy ny fametrahan’izy ireo “casque” ao an-tanànan’Ambatolampy. 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT