Nampitaraina ny mponina tao Ambatolampy ny haizin-kitroky ny tanàna fa mampirongatra ny halabotry sy ny vaky trano. Halatra tariby an’ny Jirama no voalaza fa antony.
Nohamafisina ny fiambenana taorian’ny fanentanana nataon-dry zareo tao amin’ny Jirama. Nahitam-bokatra izany, satria dia nisy roalahy saron’ny zandary. Mbola nahatrarana tariby mirefy 120 metatra tao amin’ny iray tamin’ireo mpangalatra tamin’ny fotoana nisamborana azy ny sabotsy lasa teo. Natolotra ny fampanoavana ny alatsinainy teo izy roalahy ary nidoboka am-ponja vonjimaika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.