Rovitry ny bala ny kibon’ilay lehilahy
Asan-dahalo nahaverezana omby 4 no namparatra mafy ity lehilahy iray vao 24 taona monja tao amin’ny fokontany Tanandava, kaominina Ambatofitorahana ny alin’ny zoma 24 oktobra lasa teo
Taorian’ny fandrobana ireo ombin’olon-kafa teo an-tanàna no voatifitra ity tovolahy ity raha izy hanao ny fanarahan-dia iny. Mitsabo tena ao Ambositra ity maratra ity ankehitriny. Anjakan’ny asan-dahalo tanteraka ny Faritra Amoron’i Mania ankehitriny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.