Nitrangana savorovoro teny amin’ny zaridainam-bahoaka Ambatobevanja omaly nandritra ny fanakatonan’ny kaominina trano fivarotana iray tsy nanara-dalŕna.
Voatoraka tavoahangy sy vera ary zavatra hafa mantsy ireo mpiasan’ny kaominina sy ny vadintany tonga teny an-toerana. Vokany, Ramatoa iray mpiasan’ny kaominina no naratra mafy noho ny toraka tavoahangy nahazo azy. Nentina haingana notsaboina teny amin’ny HJRA moa izy ary efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha. Niroso tamin'ny fanakatonana tsena fivarotana sakafo sady trano fonenana teny Andohalo Ambatobevanja moa omaly ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Mipetraka eo ambony tanin'ny Kaominina ity trano ity, ary tsy nahazoana alalana ny nanaovana azy. Ny fahazoan-dalana nomen'ny kaominina azy dia ny fananganana "chalet en bois". Noho izany tsy fanarahan-dalàna nataon'ny mpivarotra izany dia notsoahan'ny Kaominina taminy ny fahazoan-dalana nomena azy. Efa niakatra fitsarana ny raharaha satria nangataka fampiatoana ny fanafoanana ilay fahazoan-dalana nataon’ny CUA ilay mpivarotra, saingy nolavin’ny fitsarana ary dia io nirosoana omaly io ny fanakatonana ilay tsena. Hentitra ny avy ao amin’ny Kaominina fa mila manaja ny lalàna ny rehetra ary tsy mifamitaka na mampiasa hafetsifetsena rehefa mangataka ireny fahazoan-dalana hanangana trano na toeram-pivarotana ireny.
RTTTia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.