Fanintelony niteraka i Soalize dia feno enina ny zanany ao an-trano. 5 sy 3 taona ny roa voalohany.
Kambana efatra, roa lahy sy roa vavy no tonga tamin’ny fiterahana fahatelo. Wilarda, Wilardo, Wilardino ary Wilradina no anaran’izy ireo, ary salama tsara. Na izany aza dia arahi-maso ara-pahasalamana ao Sambava izy ireo. Faly sahirana i Joël Velombe sy Soalize mivady amin’ireto vahiny kely ireto. Nanome tanana azy ireo ny Lions Club Sambava nitondra fitafiana, lamba firakotra sy sakafon-jaza. Mipetraka any ambanivolo, Beanantsitra Ambatoafo, rahateo ity fianakaviana kely ity.
Jean D.
Ireo kambana efatra arahi-maso ara-pahasalamana ao Sambava
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.