Actualités

Ambato Boeny Raim-pianakaviana nanolana ny zana-badiny 5 taona


  • Alarobia 24 Febroary 2016

Nirongatra tato ho ato ny fanolanana zaza tsy ampy taona tamina faritra maro teto amintsika, tsy an-tanàn-dehibe, tsy ambanivolo.

 

Ankizivavy kely vao dimy taona monja no simba tanteraka naolan’ny raikeliny, ny zoma teo, tany Melaka, Kaominina Madirovalo, Distrikan’Ambato Boeny. Araka ny vaovao voaray dia nanararaotra ny tsy nahatao an-trano an-dramatoa vadiny ity raim-pianakaviana mpanolana ity ka nanampatra ny filan-dratsiny tamin’ilay zaza. Rehefa vita ny fomba mamohehatra nataony dia noferany tsy hilaza na amin’iza na amin’iza ny zavatra nihatra taminy ilay zana-badiny naolany. Niha narary foana anefa ilay zaza ka taitra ny reniny. Nentina namonjy toeram-pitsaboana. Teo vao ankona ny reniny fa nisy nanolana ny zanany izay voaporofon’ny mpitsabo. Nitantara ny fihetsika feno habibiana nihatra taminy ilay zaza. Nosamborin’ny mpitandro filaminana ilay rangahy nanolana ny zana-badiny, ary hatolotra ny fitsarana tsy ho ela.

Eric R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT