Actualités

AMBATO BOENY Mirongatra ny aretin-kibo


  • Alatsinainy 10 Novambra 2014

Vokatry ny faharitran’ny ranon’ ny Jirama ao amin’ny distrikan’ny Ambato Boeny faritra Mahajanga II dia saika tratran’ny aretin-kibo avokoa ny ankamaroan’ny mponina ao an-toerana

. Raha ny zava-misy dia ritra ny rano ao anatin’ny siny ben’ ny orinasa Jirama ao Ambato boeny izay miteraka an’io tsy fampian’ny rano io. Rano maloto arak’izany no sisa mivoaka amin’io siny be io ka miteraka aretina ho an’ny mponina. Ny rano amin’ny vovo izay mba tokony hanampy azy ireo dia tsy lalaina vao mahazo rano. Manoloana izay indrindra dia manao antso avo amin’ny mpitondra izy ireo ny tokony hijerevana ny toe-pahasalaman’ny mponina ao an-toerana sy ny famatsian-drano fisotro madio. Etsy andaniny ny jiro rahateo dia zara raha mandeha ao anatin’ny tontolo andro iray manontolo. Efa nisy ihany hoy ireo mponina ny fidinan’ny manampahefana avy amin’ny fitondrana foibe tany an-toerana nijery ny toe-javatra mitranga ary nampanantena ny hamaha ny olana saingy tsy hita izany hatramin’izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT