Actualités

Ambato Boeny Hanomboka hisy ny fanaraha-maso an’ireo mivoaka sy miditra


  • Alakamisy 22 Oktobra 2015

Atao izay hampandry fahalemana ny tany, hoy Rakotonandrasana Jean Valérien ben’ny tanŕna any amin’ny distrikan’Ambato-Boeny Faritanin’i Mahajanga.

  Raha tsy milamina ny tany, tsy misy ny famokarana azo antenaina izay tena hiveloman’ny mponina any Ambato Boeny. Ambato-Boeny dia  23 km miala amin’ny RN 4 ary lalan-tokana no miditra sy mivoaka ao ka hisy ny fanaraha-maso izay tsy nisy hatramin’izay dia ny fisavana ny kara-panondro sy bokim-bahiny. Misy mantsy ireo mpanararaotra tantsaha sy mpanao harom-paosy rehefa alakamisy andro tsena any an-toerana. Tsy hoe mafana fo am-boalohany fa tsy maintsy jerena ny hampaharitra ny hetsika. Mino sy manantena izahay fa voatazonay ny fandriampahalemana satria tany mamokatra Ambato-Boeny.  Marihina fa ity ben’ny tanàna vaovao ity dia ilay mpitarika ny sendikan’ny “Paramed” teo aloha.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT