Nohamafisin’ny Antenimierandoholona amerikanina ny 19 novambra 2014 teo ny fanendrena an’i Robert T
Yamate ho ambasadaoron’i Etazonia, hisahana an’i Madagasikara sy ny nosy Kaomoro. Araka ny fampitam-baovaon’ny masoivohon’ny ambasady amerikanina dia ho avy tsy ho ela eto Madagasikara handray ny asany ity diplaomaty ity. Nanohana ny dingana hivoahan’i Madagasikara tamin’ny krizy i Etazonia. ny fitondrana nijoro taorian’ny fifidianana demokratika ny Amerikanina, ary tonga amin’izao fanendrena ambasadaoro izao rehefa tsy nanana izany taorian’ny nandaozan’i Niels Marquardt, ambasadaoro amerikanina farany, an’i Madagasikara tamin’ny 2009.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.