Actualités

Ambasadaoron’i Etazonia Handray ny asany i Robert T. Yamate


  • Talata 13 Janoary 2015

Tonga ihany ! Nanao fampilazana ny sampana serasera eo anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny fa ho avy eny Anosy hanolotra dika mitovy ny taratasy fanendrena azy ho ambasadaoron’i Etazonia eto Madagasikara Atoa Robert T.

. Yamate anio. Asa na kisendrasendra na nokendrena hifanandrify fa tato ho ato dia mifanontona amin’ny fotoana hisian’ny fihaonana an-tampon’ireo filoha dimy nifandimby nitondra an’i Madagasikara ny fanapahan-kevitry ny Amerikanina. Nifanojo tamin’ilay fihaonana voalohany tamin’ny 19 desambra 2014 nitarika tamin’ny famoahana ireo gadra politika, ohatra, ny namoahana tamin’ny gazetim-panjakana Amerikanina ny lisitr’ireo firenena misitraka indray ny AGOA, ka anisany i Madagasikara. Hitohy anio 13 janoary 2015 indray ny fampihaonana azy dimy, tarihin’ny FFKM, dia izao hanolotra ny dika mitovy ny taratasy fanendrena azy izao ny ambasadaoro amerikanina vaovao. Marihina fa efa tamin’ny 19 novambra 2014 no nohamafisin’ny Antenimierandoholona amerikanina ny fanendrena an’i Robert T. Yamate ho ambasadaoron’i Etazonia, hisahana an’i Madagasikara sy ny nosy Kaomoro, f’izao izany ity diplaomaty ity vao handray ny asany. Nanohana ny dingana hivoahan’i Madagasikara tamin’ny krizy i Etazonia, avy eo nankato ny fitondrana nijoro taorian’ny fifidianana demokratika ary tonga amin’izao fanendrena ambasadaoro izao rehefa tsy nanana izany taorian’ny nandaozan’i Niels Marquardt, ambasadaoro amerikanina farany, an’i Madagasikara tamin’ny 2009.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT