Nihaona tamin’ny praiminisitra Ntsay Christian ny mpiandraiki-draharaha vonjimaika eo anivon’ny masoivoho Amerikanina, Atoa John Groarke, omaly tetsy amin`ny lapan`i Mahazoarivo.
Nandritra ny fihaonana no nahafantarana fa hotendrena tsy ho ela ny Ambasadaoro Amerikanina vaovao hiasa eto Madagasikara, aorian’ny fandaminana rehetra any Etazonia. Noresahina ihany koa ny raharaha nahafatesana mpiasa iray eo anivon’ny masoivohon’ity firenena ity ka nitondran`i John Groarke fisaorana ny fitondram-panjakana amin`ny fiaraha-miasa nandritra ny fanadihadiana sy ny famahana ilay raharaha. Nanambara ity mpiandraiki-draharaha amerikanina ity fa mampiseho taratra ny hatsaran’ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta ny fizotry ny raharaha, ary manantena izy fa hihatsara hatrany ny fiaraha-miasa. Marihina fa tamin`ny taon-dasa no nankalazana ny faha-150 taonan`ny fifanaovan-tsonia ny fifanarahana diplomatika voalohany teo amin`i Etazonia sy i Madagasikara.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.