Actualités

Ambany tetezan'Ampasika Lasa fanariam-pako


  • Alatsinainy 03 Aprily 2017

Lasa fanarian’ny olona fako tanteraka ny ao ambany tetezan’Ampasika, lalana miazo an’Itaosy amin’izao fotoana izao.

Efa aman-taoniny maro ireo fako ireo no miavosa ao izay marihina fa hampihena ny fivelaran’ny ranon’Ikopa mihitsy raha tsy misy ny fepetra raisina ka mety hiteraka tondra-drano goavana eny amin’iny faritra iny rehefa fotoam-pahavaratra. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin-dRakotomandimby Jean Martial,  Ben’ny tanànan’ny kaominina Bemasoandro  izay mpiahy iny faritra iny dia efa tena manao ezaka tokoa ny kaominina iadidiany manala ireo fako miavosa ao ambany tetezan’Ampasika ireo. In-droa isan-taona izy ireo no manakarama fiara vaventy manala izany izay volan’ny kaominina madiodio. Manakarama mpiambina isan’andro  ihany koa izy ireo raha araka ny fantatra hatrany  manara-maso ireo mpanary fako ao ambanin’ity tetezana iray ity saingy ny olana dia amin’ny 1 ora maraina no tonga manary fako eny an-toerana. Ireo olona avy aty an-drenivohitra no tena manao izany. Marihina moa fa ankoatra ny areti-mandoza  toy ny pesta izay mety ateraky ny fivangongoan’ireny fako etsy sy eroa ireny dia  manelingelina ny maso sady manimba endrika ny  tanàna ny fako ka mila andraisana fepetra manokana mihitsy.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT