Actualités

Ambano-Antsirabe II Nahavoly zanakazo 15 000 ny miaramila


  • Sabotsy 20 Mey 2017

Mitohy ny asan'ny servisy sivika ao amin'ny kaominina Ambano, distrikan'Antsirabe faharoa tarihin'ny jeneraly Rakotosalama Zefania Rivo.

 

 Nandritra ny 3 volana nipetrahan'ireo miaramila miisa 32 tany an-toerana dia fantatra fa nahavoly zanakazo niisa 15 000 fototra izy ireo ary fanetanana maro samihafa niampy fanofanana ireo tantsaha momba ny fambolena sy fiompiana. Ankoatra izay dia nanentana ny olona amin'ny fanorenana toeram-pivoahana ihany koa izy ireo. Amin'ny maha faritra mpamokatra ny kaominina Ambano dia nomena tombony ihany koa izy ireo amin'ny alalan'ny fanofanana tantsaha ho mpampiofana amin'ny fiompiana kankana mpamokatra zezika. Ny alakamisy 18 mey teo ary no nanofanana ireto tantsaha niisa 30 ireo ka ny kolonely Shan Shin no nitarika sy nizara ny traikefany tamin'ity fanofanana ity. Mbola maro moa ny asa ataon'ny servisy sivika ao ambano mialoha ny hialan'izy ireo any an-toerana ka lafin-javatra maro no mbola hampitain'ireo miaramila any an-toerana mialoha ny hifindran'izy ireo toeran-kafa indray, satria mbola natao ho filamatra ity ao Ambano ity aloha hatreto.

Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT