5 maty, 8 marary mafy ! Izay no vokatry ny fihinanana fano na soka-dranomasina tany Maroteny
kaominina ambanivolon’i Bemanevika Ouest any amin’ny Distrikan’Ambanja. Ny minisitry ny jono sy ny harena an-dranomasina, Ahmad no nilaza ny vaovao ratsy io omaly hariva tao amin’ny radio nasionaly. Natono natao maskita ny nofon’ilay fano ka izay nihinana dia narary avokoa ary nitarika io loza io. Efa nisy fandraisana fepetra, ka nampidinana ao Ambanja ny ekipa mpahay momba ny fanapoizinana an-dranomasina avy any Antsiranana, araka ny nambarany hanavotana ireo mbola tsaboina.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.