Na trano iray aza tsy nisy niangana tao amin’ny Fokontany Ambalogna, Kaominina Sandrohy, Distrika Mananjary vokatry ny haintrano nitranga ny atoandron’ny alakamisy 13 oktobra 2016.
Ny tanàna iray manontolo no kila hotohoton’ny afo. Afo niotrika nilaozana tao an-trano no nihanaka, ka nitarika izao loza amin’atambo izao. Mitontaly 1500 ireo traboina vokatr’izany, tsy manan-trano hipetrahana, tsy manan-koraisina satria dia may hatramin’ny vary tahiry aman-taoniny ka mangahazo eny an-tsaha no voatery hadiana hohanina. May hatramin’ny fitaovam-pianaran'ny mpianatra. Manao antso avo amin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta sy ny biraom-pirenena misahana ny loza voajanahary na BNGRC ny solombavambahoaka voafidy tao Mananjary, Ramparany Anthelme mba hijerena akaiky ireto vahoaka traboina ao Ambalogna ireto fa mavesatra loatra ny voina mianjady ain’izy ireo. Natoby vonjimaika amin’ny trano sekoly ireo traboina amin’izao, ary dia nihantona nanaraka izay koa ny fianaran’ny mpianatra tao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.