3 taona lasa izay no nogadraina sy notapaham-bolo noho ny resaka ambalavelona ny mpitarika ny antokom-pivavahana lehibe iray, Cohen Rivolala.
Na dia tsy voarohirohy tao anatin’ny raharaha tany Ambatofinandrahana izay nitrangana Ambalavelona tamina ankizivavy miisa 14 farany teo aza ny tenany dia naneho ny heviny teny amin’ny foibeny eny Itaosy omaly. Tsy miova ny hevitro, hoy izy, fa ao anatin’ny raharaham-pirenena daholo izany. Noho ny fahasahiranana dia lasa tafiditra ao an-dohan’ny Malagasy ankehitriny ny toe-tsaina vampirisma. Hany ka lasa mamonovono olona sy mandatsa-dra fahatany izy ireo ary porofo ny firongatry ny fitsaram-bahoaka. Midika koa io fa tsy mety amintsika ary tsy voafehy eto ny demokrasia. Karazana demokrasia ny fitsaram-bahoaka ary fanjakan’i Baroa ihany. Ny ambalavelona koa dia demokrasian-jaza (démocratie enfantine) satria vokatry ny fiasana sain’ireo zazavavy voan’izany. Izany hoe, zavatra tsy mbola zakan’ny lohany no hiasany saina ka mahatonga azy lasa manao krizy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.