Efa any am-ponja nanomboka ny faramparan’ny volana novambra lasa teo ireo olona enina (Kohen Rivo Lala sy ny olona efatra hafa namany ary mpampianatra iray),
izay voatonontonona ho tompon’antoka tamin’ny fiparitahan’ny aretina ahiahiana fa fositra nahatonga ny ambalavelona any Miandrivazo. Ankehitriny dia miitatra hatrany ny voan’ity aretin-dratsy ity. Fantatra izao, raha ny voalazan’ny loharanom-baovao avy any an-toerana fa nanomboka ny herinandro nivalona iny no ho mankaty dia nanao ranolava ny fihetsehan’aretina hafahafan’ireo ankizy madinika (lahy sy vavy). Ireo mpianatra amin’ny ambaratonga fototra indray no lasibatra raha ireo tovovavy tamina sekolim-pinoana fotsiny teo aloha. Vokany, maro amin’ireo ray aman-dreny no matahotra mandefa ny zanany any an-tsekoly, satria tsy mbola misy fahasitranana ny ankamaroan’ireo mpianatra voa teo aloha. Misy ireo somary sitrana, hoy ny vaovao voaray, nefa miverina mihetsika indray. Fanontaniana tsy ahitam-baliny hatramin’izao ny hoe : Iza marina no «mpamosavy» ao ambadiky ny fanaparitahana ity ambalavelona ity ? Iza no mahazo tombontsoa amin’ny famotehana ny zaza malagasy ?
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.