Nitrangana zava-doza indray ny tanànan’antsirabe ny alin’ny sabotsy 29 septambra 2018 lasa teo, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany tany ho any.
Noho ny olana ara-teknika dia nirehitra ny fitahirizan-tsolika lehibe miaty 110 m3, fitehirizana ireny menaka mavesatra ireny,tao amin’ny Jirama Ambalavato-Antsirabe, ny alin’ny sabotsy 29 septambra 2018 lasa teo, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany tany ho any. Raha ny fanazavana dia ny fiakaran’ny hafanana be loatra tamin’io fitaovana io no nampipoaka azy ka nipitika tany amin’ny 300 metatra mihitsy ny saron’ilay fitobian-tsolika ary nidedaka nanaka-danitra ny afo, izay tombanana ho hatrany ny amin’ny 20 metatra no nihoatra tany no any ny lelafo. Ny loza tena natahorana dia mbola nisy fitobian-tsolika maromaro izay nisy « Gas Oil » ihany koa nanodidina teo, ankoatry ity iray nirehitra ity. Soa ihany moa raha ny fanazavana fa efa mba tsy be loatra intsony ny tahiry tao anatiny ka niandry ny fitsaharan’ny afo no azo natao. Nanambara ny Jirama fa : “ efa voafehy ny toe-draharaha any an-toerana ka tsy misy ahiana ny mety ho fiitaran'ny afo amin'ny mponina manodidina. Tsy nisy ny aina nafoy. Tsy misy ihany koa ny fiantraikan'ny voina amin'ny famokarana”. Ny sampana mpamonjy voina an’ny groupe SOCOTA moa dia nanampy tamin'ny famonoana ny afo.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.