Actualités

Alliance Voahary Gasy Nanafatra mafy an’i Andry Rajoelina


  • Sabotsy 19 Janoary 2019

“farano amin’izao fitondranao izao tompoko ny gaboraraka misy hatreto”:

 

 

 hoy ny  Alliance Voahary Gasy (AVG) nampita hafatra ho an’ny filoham-pirenena vaovao nandritra ny fivoriam-be nataon’izy ireo omaly zoma 18 janoary tetsy amin’ny hotely Le Grand Mellis Tsaralalàna. Iaraha-mahalala fa tamin’ny fotoan’ny tetezamita taona 2009 izay nitondran’i Andry Rajoelina no tena baranahiny ny fanondranana ny harem-pirenena, indrindra ny andramena. Izany indrindra no nilazan’ny AVG fa na dia mila akora amin’i Madagasikara amin’ny lafiny ara-boajanahary tahaka ny tany, ny anaty rano sy an-dranomasina aza ny firenena mpanodina sy vondrom-pirenena misandratra ara-toekarena, dia ilaina hatrany ny fahamailoana. Mamotika ny firenena tanteraka ny kolikoly ka manantena ny AVG fa ho laharam-pahamehana tanteraka ny ady amin’izany mba ho tombony ara-toekarena ho an’ny vahoaka Malagasy. Nilaza ihany koa izy ireo fa tsy tokony ho hisy ny tsindry amin’ireo tompon’andraikitra manao ny asany izay mety hiteraka fivarotana tanindrazana sy firenena mihitsy noho ny teritery. Amin’izany rehetra izany dia tokony hampiasa ny fahefana ambony nomena azy i Andry Rajoelina mba hiaro mafy ny harem-pirenena ka tsy hikitika izany raha tsy ny Malagasy mpiray tanindrazana ihany no mahazo tombony be indrindra, hoy ny AVG. Ankoatra izay, nanaitra ny ho tompon’andraiki-panjakana ambony any amin’ny governemanta sy ny mpiray tanindrazana  izy ireo mba hanara-maso tanteraka ny toe-javatra eny ifotony tahaka ny fitantanana ny harena voajanahary momba ny ala, rano, biby, harena ankibon’ny tany ary ny ranomasina mba hiteraka fampandrosoana haingana ara-toekarana.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT