Actualités

Alliance Voahary Gasy Mankalaza ny fahadimy taona niorenany


  • Alatsinainy 22 Desambra 2014

Mankalaza ny fahadimy taona niorenany ny Alliance Voahary Gasy, vovonana iray miezaka hatrany ny hanohana ny fitondram-panjakana amin'ireo karazana harem-pirenena misy

amin'ny lapan'ny tanànan'Analakely no nanamarihan'izy ireo izany ny sabotsy lasa teo noravahin'ny fampirantiana ny asa hiandraiketan'ireo fikambanana maro samihafa miasa amin'ny fiarovana ny tontolo iainana. Nambaran'Andriamanga Andry, mpandrindra nasionalin'ny Alliance Voahary Gasy nandritra izany fa nahitana fivoarana be dia be tokoa ny tontolo manodidina hatramin'ny nisian'izy ireo. Lohalaharana tamin'izany, hoy izy ny foto-pisainan'ny olona sy ny fomba fandraisany ny firahamonim-pirenena. Na izany aza anefa, mbola betsaka ny ezaka tokony hatao. Anisan'ireny ny resaka fitsarana toy ny fampiharana ny lalàna velona amin'ireo tratra mihoa-pefy ankoatra ny fanampiana ny fanjakana amin'ny fandraisan'andraikitra. Efa betsaka ihany mantsy, hoy izy, ireo mpanao trafika tratra na dia tamin'ity taona ity fotsiny aza  saingy nandalo an-gazety indray mandeha monja ireny raharaha ireny dia nijanona teo.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT