Actualités

Allérgie Lasa aretina mamono olona maro eto Madagasikara


  • Alatsinainy 11 Janoary 2016

Lasa aretina iray mamono olona maro ny allérgie eto amintsika. Miseho amin’ny endrika maro izy io, hoy i dokotera Feziny Séraphine eo anivon’ny centre medical Marie Stella ary saika voka-dratsy avokoa no aterany rehefa tsy voatsabo.

 

Anisan’ireny ny fahasemporana izay miteraka asthme ho an’ny olona sasany, ny kambon’orana ho an’ny ankizy madinika na olon-dehibe, ny sinizita … Mba hahafahana manampy ireo olona voakasik’izany ary dia hanatanteraka hetsika fanentanana sy fampianarana eny anivon’ny toeram-pitsaboana misy azy izy ireo eny Analamahitsy izy ireo manomboka anio alatsinainy 11 Janoary. Haharitra iray volana ny hetsika. Ny tanjona dia ny hahafahan’ny rehetra mahalala ny mikasika ny allergie sy ny fisorohana azy ary koa ny fitsaboana mety ho an’ireo efa voa. Ny volana Aogositra 2015 lasa teo moa no nanaovan’izy ireo hetsika fanentanana farany tahaka izao izay nahazoany olona manodidina ny 1.600 isa. Ezahina hatao in-droa isan-taona ny hetsika fanentanana sy fampianarana ho an’ny vahoaka hataon’izy manomboka izao. Voalohany  ny volana aogositra,  vanim-potoanan’ny ririnina mampihetsika azy raha ny volana janoary kosa ny faharoa, vanim-potoanan’ny fahavaratra izay mampahazo vahana ny aretina ihany koa.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT