Toaka gasy 260 litatra no saron’ny polisin’ny CSP Alasora teny amin’ny By pass ny alarobia 15 mey, tokony ho tamin’ny 9 ora alina.
Vaovao efa marim-pototra voarain’izy ireo no nahafantarana fa fiara peugeot 306 nomerao … TAJ no hitondra ireto toaka voarara avy any Toamasina ireto ary handalo eny amin’ny lalana By pass iny ka nandrasan’ny polisy fotsiny. Mpamily iray sy ny tompon’ny entana iray no nosamborina ary efa nanaovana ny famotorana sy ny paikady rehetra fanasaziana ny fitaterana sy famarotana tsy ara-dalàna. Natao tamina bidon miloko mavo miisa 13 moa ny entana. Nahazo vahana tato ho ato ny fiparitahan’ireo zava-mahadomelina toy ny toaka gasy sy rongony. Efa mivonona ny hanatratra ireo mpisehatra amin’izany hatrany ny mpitandro ny filaminana. Misy vehivavy ihany koa ati-doha amin’itony fanaparitahana zava-mahadomelina itony ka mila mailo ny rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.