Ankoatra ny ao an-drenivohitry ny faritra Alaotra Mangoro dia saika fefiky ny rano avokoa ireo tanŕna iva any an-toerana
Ny fahatsetsenan’ ny lakan-drano sy ny fanorenana trano amin’ny toerana tsy tokony hanaovana izany no fantatra fa mahatonga io tondra-drano any Alaotra io. Mitondra faisana amin’izany ny fokotany avaradrova avaratra sy Madiotsifafana tapany ambany ao amin’ny kaominina ambonivohitra Ambatondrazaka. Ny tao Amparihy kely izay saika namoizana aina raha tsy nisy ny fifanampiana teo amin’ireo mpiray monina. Hatreto mbola tsy misy ny fandraisana andraikitra avy amin’ny mpitondra fanjakana ka zary miraviravy tanana fotsiny ireo vahoaka izay tsy mahita olona azo hisarangotina mba hamonjy azy ireo amin’io tundra-drano io. Tsy afaka nifety toy ireo olona rehetra arak’izany ny mponina teny amin’ny faritra iva vokatr’io fiakarana ny rano io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.