Tapaka ny tetezana ao Amboasary, 2km avaratry ny tanàna, amin’ny lalam-pirenena faha-44 mihazo an’Ambatondrazaka.
Tsy nahazaka ny vezatry ny fiarabe mitondra kraoma ny tetezana ka tapaka ary nivarina ao anaty rano ilay kamiao sy ny entana tao anatiny. Vokatry ny fijojon’ny orana nentin’ny rivodoza Chedza izay niteraka fiarakan’ny rano sy fihotsahan’ny tany dia tapaka tao Andaingo ihany koa ny fitaterana an-dalamby. Mitoka-monina tsy fidiny ny mponina any Alaotra. Hisy fiantraikany amin’ny famatsiana ireo zavatra ilain’ny mponina andavanandro sy ny saran-dalana izany, ary dia ny vahoaka hatrany no sahirana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.