Tsikaritra fa rehefa mafanafana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena dia mirongatra ny vaky fasana any Alaotra. Ny alahady hifoha ny alatsinainy teo dia fasana iray ao amin’ny fokontany Mangalaza kaominina Feramanga avaratra no nisy namaky.
. Ny alatsinainy indray dia taolam-paty tapa-gony no hitan’ny fokonolona tao anelanelan’ny tanàna Ambohimandroso sy Ampasikely. Tsy fantatra hatreto izay olona nitondra izany sy ny toerana nangalana ireo taolam-paty ireo. Omaly ihany dia efa nandray andraikitra ny fiadidiana ny tanàna Ampasikely nandevina ireo taolam-paty nisy nangalatra ireo. Distrika roa izany izao no samy ahitana vaky fasana dia ny distrikan’Ambatondrazaka sy Amparafaravola. Tsy mbola hita hatreto ny atidoha amin’ireny halatra taolam-paty ireny. Tsy fantatra koa hoe atao inona ? Tsy mandry fahalemana hatramin’ny maty any am-pasana ankehitriny vokatry ny krizy politika tsy mety mivaha eto amin’ny firenentsika. Efa mandray ny andraikiny mikaroka ireo olon-dratsy ankehitriny ny mpitandro ny filaminana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.