Actualités

ALAKAMISY AMBOHIMAHAZO


  • Alatsinainy 07 Martsa 2016

Dahalo roalahy no voasambotra tany Alakamisy Ambohimahazo, Faritra Amoron’i Mania.


  Nahatrarana ody gasy sy bala roa, ny iray efa napoaka, tao amin’ny tranon’ny iray tamin’ireo dahalo rehefa nosavaina.
Nisy ampahany tamin’ny entana halatra ihany koa tratra tany amin’izy ireo, toy ny bitro, akoho. Hatolotra ny Fampanoavana ao Ambositra anio ireto dahalo ireo.

PORT-BERGE
Nanolotra vola 8 hetsy Ariary sy omby vositra iray ho an’ny vehivavy ao Port-Bergé, ny vadin’ny filohan’ny Repoblika Voahangy Rajaonarimampianina, hankalazana ny 8 martsa Andro erantany ho an’ny vehivavy. Natolotra omaly alahady hariva tany an-toerana ny fanomezana.

FAMPIANARANA
Hitohy ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra FRAM. Hisy toerana 2000 ho an’ireo mihoatra ny 50 taona, 4000 ho an’ireo maherin’ny 45 taona, amin’ireo 10.000 horaisiny ao anatin’ny andiany fahatelo.

ANDROY
Ny Fiangonana katolika manerana ny diosezin'Antananarivo dia manentana mpino katolika isaky ny Paroasy mba hanao hetsika tolotanana ho an'ireo havana any Androy, izay iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika amin’izao fotoana.

MIRALENTA
5%-n’ny Ben’ny tanàna ankehitriny no vehivavy  raha 4% izy ireo tamin’ny 2007, 21% kosa ny vehivavy depiote ao amin’ny Antenimieram-pirenena raha 7% tamin’ny 2007.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT