Adino tanteraka any m-ponja i Alain Ramaroson sy Pety Rakotoniaina, mpanao politika anisan’ny hita matetika tamin’ny raharaham-pirenena. Nanomboka ny volana aogositra 2016 i Alain Ramaroson no naiditra am-ponja noho ny raharahan-tany nampifanolana azy sy ny fianakaviany.
Nitarazoka ny raharaham-pitsarana momba azy. Voaheloka higadra herintaona sazy mihatra sy mandoa onitra 950 tapitrisa ariary ho an’ny mpitory mikasika ny ady tany teny Andoharanofotsy izy ny 25 jolay 2017. Sazy mihatra 30 volana an-tranomaizina miampy onitra 200 tapitrisa ariary kosa no azony ny 8 aogositra 2017 noho ny raharahan-tany teny Ambohimangakely. Nanenjika fatratra ny fitondrana HVM sy nijoro tamin’ny heviny izy, ka mety izay no vao mainka nanaovana tsindry bokotra sy nandetnehana azy. Ny vadiny Rtoa Olga Vaomalala anefa, dia voatendry ho mpanolotsain’ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina ny fiandohan’ny taona 2018. Adino tanteraka tany am-ponja i Alain Ramaroson, ka na ireo olon’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 niaraka taminy aza toa tsy mba nisy niraharaha azy. Amin’ity volana febroary ity izy no tokony hivoaka ny fonja, raha kotiana amin’ilay sazy 30 volana. I Pety Rakotoniana kosa dia nosamborina tany Camp Robin lalam-pirenena faha-7 mihazo an’i Fianarantsoa ny tolakandron’ny 16 oktobra 2018, rehefa nolazaina fa nanohintohina ny filaminan’ny firenena. Nitarika ny Hetsiky ny HFI (Hetsika Fanorenana Ifotony) izy. Nikarakaraka ilay hetsika sy fanehoan-kevitra nilaza ny fananganana ny “Fanjakana Gasy” ny HFI ny 14 oktobra 2018, ka voasambotra Rainidina Rajoharison avy eo i Pety Rakotoniaina. Nanakiana mafy an’i Andry Rajoelina izy tamin’izany fotoana ary nametraka fitoriana mihitsy. Ny fanjakana talohan’ny fifidianana no nandentika azy ho manakorontana sy manohintohina, ary manangana fanjakana anaty fanjakana. Halentika hatramin’ny farany ve i Pety Rakotoniaina matoa tsy mandeha mandrak’androany ny raharaham-pitsarana ? Efa 5 volana anefa izay no nitazonana am-ponja vonjimaika azy. Ny 1 febroary teo dia namoaka fanambarana ireo solontenan’ny Raiamandreny avy ao Fianarantsoa mangataka ny hamoahana ireo zanak’ity faritany ity gadraina noho ny raharaha politika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.