Nivoaka ny fonjan’Antanimora omaly alatsinainy 20 aogositra tamin’ny 8 ora sy sasany alina Atoa Alain Ramaroson, rehefa notanana teny Antanimora nanomboka ny 3 aogositra 2016
noho ny raharahan-tany lova teny Andoharanofotsy sy Ambohimangakely nitorian’ny fianakaviany azy. Sazy herintaona an-tranomaizina sy onitra 950 tapitrisa ariary no nomen’ny fitsarana azy tamin’ny raharahan-tany teny Andoharanofotsy, araka ny didy nivoaka ny 25 jolay 2017. Ny 08 aogositra 2017 dia nisy indray ny didy nanagadra an-tranomaizina 30 volana sazy mihatra azy, miampy fandoavana onitra 200 tapitrisa Ariary. 3 taona sy 17 andro katroka izany ny tenany no tany am-ponja, ary izao nivoaka izao. Anisan’ny nahafantarana azy betsaka ny raharaha 2009 nisian’ny fanonganam-panjakana teto Madagasikara. Lasa mpikamban’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita na CST izy tamin’izany, ary filohan’ny vaomieran’ny fiarovana sy filaminana tamin’izany fotoana. Somary nifanjevo tamin’ny olona sasany tao amin’ny fitondrana ary nanao ampamoaka samihafa tamin’ny raharaha nahafatesan’ny minisitry ny mponina tamin’izany i Tompokovavy Nadine Ramaroson, izay ho feno 8 taona ny 28 aogositra izao. Olona tao anaty fanjakana no voatonontonona. Rehefa tany am-ponja izy tamin’ny raharaha nanenjehana azy, dia toa adino sy very tanteraka tsy dia noraharahian’ireo ekipan’ny 2009. Andrasana izay ho fihetsiny amin’izao fivoahany izao. Mbola hisehatra amin’ny politika ve sa hisafidy ny hangina tanteraka ? Hanao ahoana ny fifandraisany amin’ny fanjakana Rajoelina izay toa nanadino tanteraka ny fisiany ? Na ao anaty fanjakana ao aza dia nisy olona nifanao sakay sy maso taminy tamin’izany fotoana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.