Nanomboka omaly talata 09 aprily tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina ny atrikasa maharitra 3 andro hifanampiana sy hifampizarana traikefa ny amin’ny fikirakirana ireo tarehimarika mahakasika ny ala honko (Mangroves).
Nokarakarain’ny Birao Nasionaly REDD+ izay miantoka ny fandrindrana ho fanalefahana ny vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro. Tsiahivina fa efa nisy tamin’ny herintaona ny fanaovana sy ny fijerena ireo tarehimarika mahakasika ny mangroves teto Madagasikara dia ny ala honko, ala maitso, ala mando ary ny ala misy tsilo. Amin’izao fotoana izao dia miditra amin’ny famakafakana lalina ny tarehimarika izay ifanampiana sy ifanakalozana traikefa amin’ny USFS (United States Forest Service). Efa mihasimba ny ala honko eto Madagasikara nefa miankina aminy ny fisian’ireo biby anaty rano tahaka ny trondro sy ny makamba. Araka izany dia maika ny fiarovana sy ny famerenana azy amin’ny laoniny satria raha matevina ny ala honko dia betsaka ihany koa ny etona omeny (carbone). Rehefa izay dia afaka manadio ny rivotra iainana izy. Raha mihena ny fandripahana ala ary miakatra ny faritra voarakotra ala eto Madagasikara dia avotra ny ala honko sady hahazo famatsiam-bola ny firenena Malagasy. 70 tapitrisa dolara na 252 112 700 000 Ariary (1 dolara= 3601,61 Ar) no vola azo rehefa mahomby i Madagasikara amin’ny fampidinana ny fanapahana ny ala ary raha tsy hita ny ezaka dia votsotra io vola io.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.