Sivy tapitrisa ha sisa ny velarantany misy ala eto amintsika raha mbola nahatratra 12 tapitrisa izany tamin’ny taona 2005.
Nanomboka tamin’io taona io tokoa mantsy no nampihazakazaka fatratra ny fahasimban’ny ala teto amintsika. Mahatratra 100.000 ha isan-taona ny ala ripaka, hoy ny sekretera jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana. Antony maro no mahatonga izany, toy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna, ny fanaovana tavy... Hisy ny fanentanana mafonja tsy maintsy hatao amin’ny tsirairay avy mba hahafahana mandray fepetra manokana. Nankalazaina omaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ala. Lohahevitra noraisina ny hoe : “Ala voaaro sy tsara tantana, antoky ny ho avy velontena maharitra”. Famelabelaran-kevitra narahina adihevitra no nentina namenoana ny fotoana ka anisan’ny voaresaka tao ny hoe : ny fahantrana ve no mahapotika ny ala sa ny fahapotehan’ny ala no mampahantra ? Nomarihin’ity tompon’andraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana ity moa fa efa nisy ny fepetra manokana noraisin’izy ireo hahafahana mampihena io isa io. Anisan’ireny ny ady hatao amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fambolena zanakazo, ny fampitomboana hatrany ireo faritra arovana…
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.