Nandritra ny fitsirihana tampoka nataon’ny ekipa niarahan’ny zandarimariam-pirenena sy ny avy amin’ny ala sy ny tontolo iainana tany amin’ny alan’i Maromizaha ny zoma 2 desambra teo, taorian’ny nahazoan’izy ireo vaovao fa misy mitrandraka vato an-tsokosoko ao anaty ala arovana.
Rehefa nidina tampoka tany izy ireo io zoma io dia nahita toeram-pitrandrahana tourmaline, misy lavaka hatrany amin’ny 10m any miaraka amin’ny fitaovana maro toy gropy mpihary herinatra, kidoro, tahirin-tsakafo, fanafody sy kojakoja fampiasa raha misy tsy fahasalamana na ratra. Raha ny tombantomban’ny ekipa nanao fitsirihana dia mety efa amam-bolana no nisian’io fitrandrahana tourmaline io. Olona miisa enina no voasambotra tao, ary nentina hatao famotorana ao Moramanga.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.