Niezaka nifaly ny Malagasy na dia hita ho tena sahirana aza tao anatin’ny fetin’ny Krismasy. Nanao izay heriny ny ray aman-dreny nampifaly ny ankizy tamin’ny fividianana akanjo sy ny kilalao.
Tao ny mba niezaka nanao laoka hafa tsy toy ny mahazatra ka nanakatra ireny akoho amam-borona ireny. Tsapa ary hita sy miharihary fa tena mijaly sy mahantra ny vahoaka. Raha tsy hijery fotsiny ny tsena be etsy sy eroa izay mampanontany tena mihitsy ny amin’ny mba fitsaharana ho an’ny Malagasy. Tsy mba misy fotoana hakàna aina intsony ny maro fa na andro alahady indrindra ny andro fety dia ny hitady vola hatrany ny masaka ao an-tsaina nohon’ny tsy fahampiana. Etsy andaniny, manampy trotraka ny alahelon’ny maro ny voka-pifidianana feno hosoka izay mibosesika hatrany amin’izao fotoana izao. Misy aza moa efa velon-taraina sahady ka milaza hoe hiaina fahantrana sy gaboraraka ary herisetra mandritra ny 5 taona indray i Madagasikara raha izao no mitohy. Feno tahotra sy fanahiana ny hoaviny ny maro amin’izao fotoana izao. Ho an’ireo niditra am-piangonana moa dia mba nandray ny teny fampaherezana ary ahafahana miatrika ireo olana maro eto amin’ny firenena izany. Tsy anavahana tokoa mantsy fa ho an’ny rehetra ny famonjena izay natolotra maimaim-poana noho ny fitiavan’Andriamanitra. Amin’izao fotoana izao dia amporisihina hatrany ny Kristianina hiaina anaty fitolomam-bavaka hiadiana amin’ny herin’ny maizina izay mitady handetika sy hampahantra hatrany an’i Madagasikara.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.