Nasiam-panitarana ny toerana fandraisana ireo zaza kamboty sy tsy manam-piahy beazina ao amin’ny ivontoerana “Sainte Famille” ao Antanimasaja Mahajanga.
Manomboka tsy maharaka ny filan’ireo zaza kamboty sy ankizy tsy manam-piahy any an-toerana intsony ny fotodrafitrasa efa nisy teo aloha, indrindra fa ho an’ireo latsaky ny roa taona. Ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar no nandray an-tanana izany, asa nanomboka ny 29 novambra lasa teo izay narahin’ny fanolorana fitaovana toy kitapon-tsimenitra am-polony maro avy hatrany. Tranobe lehibe iray kasaina handraisana ankizy kamboty vaovao herintaona sy tapany ka hatramin’ny 13 taona no kendrena hatsangana hahafahan’ireo ankizy madinika ireo miaina amin-kalahahana na dia tsy eo ankohonan’ny ray aman-dreniny aza, hoy ny tale jeneralin’ny Airtel Maixent Bekangba. Tsiahivina fa ho fanohanana ireo olona sahirana sy tsy manam-piahy eto amintsika no nahatonga ity orinasa iray ity hiroso amin’izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.