Taorian’ireo ankizy 350 isa, zanaky ny sahirana ara-pivelomana monina eny amin’ny fokontany Mandialaza sy Ankadivato dia ankizy beazina eo anivon’ny Akany Avoko Ambohidratrimo indray no notoloran’ny orinasa STAR fitaovam-pianarana nahitana kitapo, penina, kahie…
ny talata lasa teo. Ankizy manodidina ny 150 isa no nahazo tombontsoa tamin’izany, telo ka hatramin’ny valo taona, ivontoerana iray izay tsiahivina fa manarina sy mandray an-tanana ireo ankizy nania teny anivon’ny fiarahamonina, ka tafiditra ao anatin’izany ireo zaza tsy manam-piahy. Nanomboka ny taona 1962 no nanohana sy nanome tanana azy ireo ny orinasa Star mba hahafahan’ireo ankizy beazina ao an-toerana hiaina sy hianatra amim-pilaminana. Vola manodidina ny 1 miliara isan-taona no hatokan’ny vondrona amin’izany ka anisan’ny voakasika ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fiahiana ara-tsosialy, ny fahasalamam-bahoaka ary ny sehatry ny fanabeazana tahaka izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.