Actualités

Akanjo nanaovana matso tamin’ny 26 jona Tsy voaloa ny 880 tapitrisa Ar nanamboarana azy


  • Alarobia 05 Novambra 2014

Fahafaham-baraka iray lavaka ! Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera nanomboka omaly tolakandro ny trosabe tsy naloan’ny mpitondra tamin’ny fankalazana ny faha-54 taonan’ny fahaleovantenam-pirenaena sady fetin’ny foloalindahy Malagasy rahateo

. Manodidina ny 880 tapitrisa Ariary eo izy io. Karama nanamboarana ny fanamian’ireo miaramila 2000 lahy nahetsika sy nanao matso tamin’ny 26 jona 2014 io vola io. Manana ny CAPSAT isika eto, izay mpanjaitra fanamiana sy kiraro ho an’ny foloalindahy malagasy, saingy orinasa frantsay havanana amin’ny fanaovana ireny fanamiana miaramila ireny no nifanarahan’ny tandapa hanjaitra ireny fanamiana nentina nianjaika tamin’ny 26 jona ireny, ka roa volana taorian’ny fety, izany hoe tany amin’ny tapatapaky ny volana aogositra 2014 no nifanarahan’ny an-daniny sy ny an-kilany fa hanefana ny vidiny. Dila ihany iny ny volana oktobra 2014 ary efa manitsaka ny faha-5 novambra aza isika izao, tsy voaloa ny vola na efa nisy fampahatsiahivana nataon’ilay orinasa nanjaitra ny fanamiana aza tamin’ny volana septambra 2014, mba handoavana amin’izay ny vola nifanarahana. Araka io vaovao niparitaka io ihany dia tokony ho io orinasa frantsay io ihany koa no hanamboatra ny fanamiana sy ny fampitaovana ireo miaramila halefan’i Madagasikara  hampandry tany any Centrafrique ary koa hanjaitra fanamiana ho an’ny foloalindahy amin’ny ankapobeny. Karazan’ny mihantona eo anefa ity tohin’ny tetikasa ity, noho io trosa tsy voaloa io.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT