Mahatsiaro mijaly ireo mpianatry ny AKAMA etsy 67 ha raha vantany vao tonga ny delestazy, indrindra rehefa harivariva iny mbola eo am-panohizana ny fianarana.
Tsy mifankahita sy tsy afa-miresaka intsony mantsy izy ireo noho ny fampiasany ny tenin’ny tanana, teny hany hahafahany mifandray amin’ny manodidina azy. Vokany, voatery ravana tsy fidiny ny mpianatra hahafahana mamaha ny olana. Mba ho fanampiana azy ireo ary dia tonga nanolotra panneaux solaires ho an’ny sekoly ny “Association Amitié Madagascar Chine” tarihin’ny filohany Rabarijaona Lucien. Manana tanjaka 1500 W izy io ary mahazaka takamoa miisa 60. Tena namaly ny filan’ny mpianatra tokoa ny fisian’ity fitaovana ity izay afaka mihodina mandritra ny fotoana tsy voafetra no sady mampihena ny fandaniana ara-bola hataon’ny sekoly ihany koa. Entin’ny sekoly hanatevenana ny fanasoavana ny mpianatra ny vola tokony handoavana jiro manomboka izao, hoy ny talen’ny sekoly Randriamampianina Rivo. Ankoatra ny fanohizana ny fiaraha-miasa tahaka izao moa dia hetahetan’izy ireo ihany koa ny mba hahafahan’ity fikambanana ity mandray ireo mpianatra afaka baka ao amin’ny AKAMA hanohy fianarana any Sina, firenena iray izay fantatra fa efa afaka mandray ireo olona manana olana ara-pandrenesana toy ny mpianatry ny AKAMA.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.