Mba hahafahana manampy ireo ankizy mpianatra tsy dia afaka firy amin’ny fampianarana ankapobeny manovo fahalalana ao aminy dia fantatra fa efa nosokafana eo anivon’ny sekoly AKAMA na ny akanin’ny marenina etsy amin’ny 67 ha amin’izao fotoana izao ny fiofanana momba ny fiainana ankapobeny na ilay antsoina hoe : fiatiana.
Voakasik’izany ny ankizy ao amin’ny taona fahefatra ka hatramin’ny fahavalo hita fa tsy ho lasa lavitra. Roa taona no hanofanana azy ireo izay hizarana diplaoma mihitsy ka anisan’ny laharam-pahamehana amin’izany ny fahaiza-miaina, ny fahalalam-pomba, ny fomba firesahana aman’olona mialoha ny hanomezana azy ireo fiofanana arak’asa hahafahany mivelona. Ho an’ireo mianatra momba ny fahandroan-tsakafo manokana na ny hotellerie dia fantatra fa efa miara-miasa amin’ny INTH ny sekoly amin’izao fotoana izao. Toraka izany koa ny agent de nettoyage izay hiarahan’izy ireo amin’ny Cefor raha ho avy tsy ho ela ny mikasika ny fikirakirana ny akora vy izay hiarahana amin’ny sekoly hafa any ivelany ihany koa. Efa misy ao an-toerana kosa ny fanaovam-bolo sy ny informatika ary ny zaitra izay samy mahasarika mpianatra marobe avokoa amin’ny ankapobeny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.